Fa aiza moa ianao? (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa aiza moa hianao
No ela tsy nandalo
Efa hadino 'reo lalao
Sy sangy nifangaro?

Fa aiza moa hianao
No dia mamela ahy hangina
tsy mahara-baovao
Tsy mba nisy hiangotiana?

Nefa, hianao no mba namako
Nizarako ny alahelo
Mba hany nitarainako
Raha iny aho mamelovelo

Hianao no mba...
Tiako sy tia ahy
kanefa, dia nahoana loatra lahy
No navela angahiahy
Izato foko feno ratra
R'ilay Aingampanahy
Avia re, mba miantrà,
Fa ory ny fanahy.

Mba lalovinao mazàna
Fa mila tsy ho tamàna
Te hikopaka fa tsy afaka
Tsy sahy mamindra irery, fa manahy sao ho solafaka...
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1605 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 12/01/2014 14:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142