Ity noely ity (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô!
Enga anie, ity noely ity
Mba hitondra ainga vao
Amin'ny fanompoana anao

Tsy ho noelin-drendrarendra
Tsy ho noelim-pandranitana
Tsy ho noely voky hatenda
Fa noely mpamitrana.

Tompo ô!
Tsinjovy koa ny saina
Toa mihorohoro sy manahy
Mba tsy ho noely very maina
Fa ho sambatra am-panahy

Mba jereo 'reo vahoaka
Ory sy fadiran'ovana
Tsy minam-bary tsy milaoka
Mba asio lisitra tovana

Arovinao ny firenena
Mba tsy ho rodan'ny mpandroba
S'ireo olona tia tena
dia mba hisy 'zay ho lova.

Dia ho noelim-pahasambarana
Ity noelinay ity
Ka ho isam-baravarana
Hankalaza Anao Kristy.
Amen...
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
3204 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 12/01/2014 14:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197