Ry omaliko (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hono ho'aho ry omaly
Ry lasako fahiny
Nahoana no mitady
Hampitsoaka ny vahiny?

Nosoritanao ho sary
ireny andro faha-zaza
Toa navoaka sy nabary
ho hiraina amim-baza

Ry omaliko รด, nahoana
No haposaka eto foana
toy ny masoandro hohataona
Ireny rakitra aman-taona?

Zay niniako nafenina
Tamin'ny vovoky ny ela
Tsy hambara sy tenenina
Saingy,hay mbola nisy 'zay tavela.

Tsy hoe leo ny sofiko
Na efa boboka ny masoko
Fa tsy tiako 'lay nofiko.
Hamerenana ny omaliko

Nefa, tsy azoko rambasana
Na roritina hipody
Tsy azo iantsam-pazana
...miaingitra fa hody.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1236 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 18/01/2014 10:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014