You are here: home > Vetso

AINGAM-PANAHY Ny aingam-p - TOKY

        AINGAM-PANAHY
Ny aingam-panahy
Manainga ahy moramora
Miakatra any an'habaka any
Toa tsy mety miato mihintsy
Fa miakatra avo hatrany
Ka indro ny hiafarany
Ahaingany ny tanako
Hanoratra izay ventsoin'ny tontolo
Ao anaty tononkalo;
Soratako satria
Ny teny anie mandalo
Fa ny soratra mitoetra
Ka dia miraikitra ao am-pon'ny olona rehetra

Dia ny aingam-panahy ihany
No manosika ahy hanoratra
Ny zava-misy hiainako
Na anaty ny tontolo
Nefa a!
Misy ihany ireo milaza nofinofy
Izay mampita fara-hafatra
Ka indraindray;
Mahatonga ireo olona
Hiaina tsisy romoromo

Dia mbola ny aingam-panahy
No hoentiko hamboraka izay mba faniriako
Any amin'ilay tiako


              Toky Ivoara

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : TOKY

Nampiditra : TOKYivoara
Daty : 09/10/2017
Mpamangy : 213
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Nifandao
Tsy mety tony ny fanahiko
Lasana
Misy

Hametraka hevitra

Midira aloha