You are here: home > Vetso

Misy - TOKY

                     Misy
Misy diam-peniko
ao anaty diarinao
Misy diam-peniko
izay tsy voakosokao.

Misy taram-piainako
nolazaiko anao
Kanefa misy koa ny fiainako
Izay mbola tsy hitanao.

Misy dian'oroko
any amin'ny molotrao
Misy dian'oroko
toa tsy voafafanao.

Misy dian-tanako
anaty bokim-piainanao
Misy dian-tanako
izay tsy mety matinao.

Misy ny fitiavanao
tsy mety maty ato anatiko
Misy ny angolanao
indraindray toa mila tsy ho taniko.

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : TOKY

Nampiditra : Tokyivoara
Daty : 18/09/2017
Mpamangy : 147
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

AINGAM-PANAHY Ny aingam-p
Nifandao
Tsy mety tony ny fanahiko
Lasana

Hametraka hevitra

Midira aloha