You are here: home > Vetso

Tsy mety tony ny fanahiko - TOKY

            Tsy mety tony ny fanahiko
Tsy mety tony ny fanahiko
misaina izay anjarako
Tsy mety tony ny fanahiko
misaintsina ny tantarako.

Tsy mety tony ny fanahiko
hatraiza re ny fijaliako
Tsy mety tony ny fanahiko,
aiza ianao ry olon-tiako.

Tsy mety tony ny fanahiko
misaintsina ny fiainako
Tsy mety tony ny fanahiko
Tsy eto ianao mba hitarainako.

Inoako anefa fa...

Mbola ho tony ny fanahiko
rehefa eto ianao ry tiana
Mbola ho tony ny fanahiko,
tapitra eo ny fijaliana.


Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : TOKY

Nampiditra : Tokyivoara
Daty : 18/09/2017
Mpamangy : 181
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

AINGAM-PANAHY Ny aingam-p
Nifandao
Lasana
Misy

Hametraka hevitra

Midira aloha