DISO LALANA ? (Tom Razafy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISO LALANA

Endré zato endrika maloka an’ity vehivavy antitra ?
Vakiana fotsiny ny ao an-tsainy hoe : mankany amin’ny lanitra !
Mahatsapa ny fahanterana sy ny fanakakaizan’ilay ora ?
Dia nitsiky ank’alahelo niarahaba an’ilay tanora !

Satria nahatsiaro tany an-tsainy tampoka ny fahatanorany ;
Dia nisaina ank’alahelo hoe « mamy ny miaina ?»
Mamy ny miaina nefa tsy misy ventiny ;
Satria mamy ny miaina nefa tsy hita izay fiadanana hoentiny ?

Be izay efa vita, nefa toa tsy misy fahafafam-po ?
Satria be ireo nahafa-po ? nefa na iray aza toa tsy nisy nitondra FIADANANA !

Dia nizorany ny lalany no niteny anakam-po izy hoe :

« Angamba hafa mihitsy ilay Fahamarinana ? Satria ilay fahamarinana noheveriko fa fahamarinana hatramin’izay toa tsy mety mitondra fiadanan-tsaina sy fiadanana anaty ho AHY ; fa toa maha be FANANTENANA fotsiny ihany ?»

Tonga tao anatiny ny fahabangana ;
Satria efa lasa ny fahazazana ;
Antitra vao nahatsapa ny hadalàna ?
Ny lasa anefa tsy hiverina intsony ?
Dia hoy izy tany an-tsainy :

« Fa maninona ary no atÿ aoriana vao mahatsapa ny tsy nety natao, fa tamin’ny fotoan’androny anefa tsy mba nieritreritra izay hiafarana ; na dia nahalala ny tsara sy ny ratsy, ny mety sy ny tsy mety aza ?»

Ilay fahabangana lasa aretin-tsaina ;
Ilay aretin-tsainy lasa nila fanampiana ?
Nila fanampiana satria tsy zakan’ny sainy !
Tsy zakan’ny sainy satria tsy tao aminy Andriamanitra ?

Dia hoy izy tany ampony :

« Fa maninona ary aho no tsy mety MIADANA nefa efa ho faty ? satria efa haiko fa ny fiadanana dia fananana an’Andriamanitra nefa izaho toa tsy miadana ?? »

Dia lasa saina izy nandinika ny fisiany ;
Dia nahatsapa izy hoe « nisy » fa « tsy nisy dikany ? »
Satria tsy nisy dikany izay rehetra nataony ?
Satria izay rehetra nataony dia tsy sitrak’Ilay NAHARY !

Dia nankahery sain aizy satria NINO ;
Fa tsy mba NANDINIKA izy satria MINO ?
Dia lasa ilay fanantenany no NINOANY ;
Fa tsy nino an’ilay fanantenany IZY ?
Dia hoy izy anakam-po :

« Efa fantatrao fa mino Anao izaho RAY ô ! Manantena Anao za, manantena aho fa mba hampidirinao ao amin’ny Fanjakanao ; ka mamindrà fo amiko ?»

Indray andro izy MATY ;
Tsy haiko hoe, izy ve nahavita ny NETY ?
Fa ny haiko hoe, maty nanantena an’Andriamanitra izy ;
Fa tsy maty NINO an’Andriamanitra.

Nanantena dia nino ny fanantenana ;
Nino ny fanantenana dia tsy nahatakatra ny lanitra !
Tsy nahatakatra ny lanitra satria tsy nisaina !
Tsy nisaina satria tsy NANDINIKA ;
Tsy nandinika ka tsy nahalala ;
Tsy nahalala ka VERY FANAHY ??

Dia hoy aho tany an-tsaiko hoe :

« Afangaron’ny olona ny atao hoe « Fifaliana » sy « Fiadanana ». Ny olona rehetra izay mitady fiadanana eto an-tany, dia toa ny olona mitady voro-manidina any anaty ranomasina ; variana mijery ambany izy, ka tsy hitany intsony ilay fiadanana eo ambony ny MASONY ?
Ka betsaka ny olona no miaina mba hiadana, fa vitsy no miaina ampiadanana satria vitsy no MIADANA ! » Tom Razafy

0336483544
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1084 0
Hevitra mandeha
TomRazafy ( 15/10/2014 06:56)
diniho tsara io tonkalo io, fa hoatran'io avokoa ny ao an-tsain'ny olona rehetra rehefa hantitra izy??
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tom Razafy
Nampiditra : TomRazafy
Daty : 15/10/2014 06:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145