Fombam-pitia (Tononkalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fombam-pitia

mahery tsy laitra
ny onjam-pitia
mangidy, mafaitra
fombam-pitia

mahafaly ny fo
raha tojo ilay tia
mankarary ihany koa
fombam-pitia

mampandresy hatrany
izay mitranga ety
mandalo onjan-tany
fombam-pitia

manjombona hariva
ny masoandro satria
ilay tiana no dila
fombam-pitia

mirana lalan-dava
ny endrika mitia
izay tsy ho rava
fombam-pitia

sariaka ny fo
nientanim-pitia
manjonitra koa
fombam-pitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
973 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tononkalo
Nampiditra : tononkalokanto2017
Daty : 18/01/2018 19:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095