You are here: home > Vetso

ANDEVONY - Totyjim

                                       ANDEVONY

Malagasy Ray no Malagasy Reny
Saingy etsy ange rehefa mba miteny
Mirehareha ery ,kevoka sy kasy
Tsy miteny intsony ny teny Malagasy
  
     Nidiran-doza isika,nidiran'ny angano
     Fa izy mianakavy ao an-tokantrano
     Tsy misy iray miteny malagasy intsony
     Vozanaky ny hafa hatrany anaty fony
Raha sendra izay mpamangy miteny Malagasy,
Izy mianakavy indreo mangasiasy
Tsy hainy ny mamaly ireo Malagasy havany
Voafatotry ny hafa ny lela sy ny vavany
  
Raha miteny gasy izay miresaka aminy
Raisiny mihintsy ho olona ambaniny
Ny tenin'ny vahiny no ataony lazany
Fa mahamenatra azy izato tenin-drazany

   Izay no zava-misy hiainantsika etoana
   Inona no tohiny, ahoana sy ahoana
   Hoy aho mamaly rehefa atsy ho atsy
   Dia honohono sisa ny TENY MALAGASY

Ny andro ho avy angamba aoka ho tenenina
Tsy holazaina tsotra tsy afenim-penina
Ny gasy dia handoa ny azy izay tsy levony
Ny vahiny handihy mitombo ny ANDEVONY


                                     RADO (Georges Andriamanantena)

Sokajy : Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha