You are here: home > Vetso

gasikara - toubib

Gasikara
Very ianao ry Gasikara, Ilay tena tanidrazana
Moa nanendry voa  voarara, no nahatonga anao ho ngazana ?
Raha ny mponina entinao, maro no  hita fa sahirana,
Raha kaonty no atao, dia tsara handosirana !
Nefa ambarako  etoana : Fa na aiza no hiantsonana
Sanatria raha tsy ho tsaroana, ilay tany niforonana !
Ndrao tonga mitonantonana……

Lozanao ry olon-dratsy, mitondra azy anaty hantsana
Enga ianao ho lany vatsy, tsy hiditra ao am-pasandrazana
Lozanao ry  mpandroba, mpanambaka ny sahirana
Maro no miantso loza,  fiainanao ho madilana !
Lozanao ry diso mpanana, mihevi-tena ho tena afaka,
Hamotsory ny eo antanana,  mba omena ireo izay latsaka

Izao no teniko ry tany, nahalatsahan’ny tavony
Anio aho raha mitomany,…. bongo tsy mahita intsony :
Ianao an’ny Malagasy, tsy hamidy tsy ampindramina
Eny na dia lany vatsy, dia ezahana ampiankarina
Hanatratra vina ambony, fahombiazan-tsesehena
Ka tsy mba hahantra intsony, fa tena mba mahazaka tena
Dia tsy mba hanana sahala, ry Tanindrazanay Malala
Ka tsy avela ho mamarara, ianao ry Gasikara !

Tsotra no mba faniriana, ireo taranaka mandimby
Mba hahita taona zina, mba ho afaka ny tsindry
Hiaina fiainana mirindra, feno amby tena tsara
Ho ela velona tsy afindra, ianao ry Gasikara !
Toubib.  10 febroary 2018

Mombamomba

Mpanoratra : toubib

Nampiditra : toubibtah
Daty : 12/02/2018
Mpamangy : 231
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

matimaty foana ve?
MIVAVAKA
HERITRERITRA
MPITSABO
MANANTENA

Hevitra mandeha

raims randriamalala (14/02/2018 19:06:10)

mafinaritra e

toubibtah (14/02/2018 23:38:11)

mankasitraka

Hametraka hevitra

Midira aloha