You are here: home > Vetso

MPITSABO - toubib

ny asako?
ilay tena singa ilaina hitoizan'ny fiainana
ilay tsy asiana vidy, nefa tena ambony Sanda
matetika no hita maina, nefa tsy azo hitarainana
ny lanitro ao mazana mainty, ny anao kosa ataoko manga.
ilay tsy mampahita lava, fà zara aho raha mba tazana
ilay fitia mamatotra ahy, ao anaty fahafahana
ilay mampalemilemy sy tena hita mazana
ilay na betsaka na kely.... mafy be mampihidy vazana
asa fitsaboana izany, tsy hoe lafo fà be vidy :
satria ireo izay tsy salama, dia mijaly farahidy
voahozona ao anaty fahantrana tena lalina
ka na inona ataony mandamoka izay sahanina.
matetika anefa no tsiniana sy ambaniana
tsy fidiana vava avoaka, atao ahy koa izay tiana
tsoriko eto tsy safidy fa fiainako ny asako
ka tsy Sanda na hoe vidy no hanova ny kinasako.

Toubib. 2018.01.20

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : toubib

Nampiditra : toubibtah
Daty : 12/02/2018
Mpamangy : 225
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

matimaty foana ve?
MIVAVAKA
HERITRERITRA
MANANTENA
gasikara

Hametraka hevitra

Midira aloha