Ny fitsaran'ny tany (TRANIHA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
F'iza moa ianao no afaka milaza
F'izay niainanao, na koa nambara anao
No marina filaza ?

F'iza moa ianao, no afaka hiteny
F'ireo izay mangina, tsy afaka miteny
Na koa tapenam-bava
Ka diso ombieny ombieny
Imasompiaraha-monina
Dia tsy mba vanon-ko ho olona ?

Raha mbola eto antany
Ny mainty sy ny fotsy, dia loko iray ihany
Ny marina sy meloka ?
Fisainan'olombelona no mampisaraka azy.

Izay tianao hamaintisina ?
Na fotsy manjopiaka, toy ny arina hatrany
Zay tianao ho melohina satria nandratra anao
Tsy omenao fahafahana hilaza izay marary
Ho meloka eny ihany.

Kanefa tadidio, fa eto antany isika
Nomen'ilay nahary, saina mba handinika
Hamakafaka lalina, hikatsaka ny marina
Fisaka izy zay, voatsindry lavareny
Tsy afaka miteny
Anjaranao mandinika, sy manam-pahefana
Mikaroka azy ombieny.

Ny fitsarana marina dia an'ilay Nahary
F'anjarantsika kosa, alohan'ny hanameloka
Miezaka mahazo, miaiky fa tsy lafatra.

Traniha
02/02/2018
--------
Rohy:
699 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TRANIHA
Nampiditra : Traniha
Daty : 02/02/2018 14:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147