Valin-kafatra ho an'i Rado (TRANIHA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Valin-kafatra
Jenjina aho nivoaka teo
Niampanampana sy fanina
Fa nahoana loatra re
Ty olon-tia indray no afarana ?

Tsy nampoiziko ho izaho
No irahinao ho any
Izaho ilay tonga hamangy anao
Nanantena ity akany

Noezahiko ho tadidy
Ireo hafatrao rehetra
nianarako tsianjery
nampiononiko ny foko
nahareziko ny saiko
Dia indro aho fa nijaiko
Hamonjy ity malalanao
Hitsapa rano raha azo atao

Ary dia izy mihitsy
No nitsena ahy tambaravarana
Ilay raozy mavokely
mbola tena eny antanany
Tsy mba sarin'ny olon-tiany
no hitako tandoha-fandriany
fa izy roa mifanoroka
ao anaty nofy mamy.

Izay no azoko ambara
Ialako tsiny noho izany
Hatramin'ny nihaonantsika farany
Ny ranomasoko nijojo
Namafa ilay dian-tananao
ka tsy natolotro azy akory
Fa nataoko maty oroka
Ity tanako mangovitra
Manantena anao ho tia
Asa raha ho tsapanao

TRANIHA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1625 2
Mpakafy: ajnal - Traniha
Hevitra mandeha
Kiala.andria ( 25/12/2017 06:47)
Mankasitraka sy mankatelina
tsy harofo tsy harary ary ho ela velona
fa tena tsara ilay valiin-Kafatra
ary soa sy tena lafatra......
Traniha ( 02/02/2018 14:23)
Misaotra mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TRANIHA
Nampiditra : Traniha
Daty : 15/09/2017 14:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014