Tanàna Foana (TrMich)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa aiza daholo ny olona tety
Noho tany sy trano no sisa tavela
Ireo trano nahafinaritra amorom-parihy
Toa efa ringana efa elaela


Tanàna mamiratra 'tony fahiny
Tanàna tsara, mitokana kely
Tanana tena mba tian'ny vahiny
Tanàna tsy miankina,fa mahavelon-tena


'zao izy ity toa ahitra sisa
Tany malahelo tsy misy mpijery
Nolalovan'ny ny rahona ka foana sy tsy hita
'zao izy ty taraiky eto irery...


Ny mponina tao hono nifindra toerana
Noho ny hetraketraka tsy nisy fiheverana
Ny biby sy ny harena nanaingo ny tany
Nolalovan'ny dahalo dia ripaka, lany...


'Zao izy ity tena ratsy fiafara...
Tsy misy endrika 'ntsony ny tena tanàna
Fahiny izy ity dia tena mba tsara
'Zao izy ity efa lasa tantara...


(10/10/16 - 04:46)
--------
Rohy:
Sokajy : Tany
977 1
Mpakafy: michael3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TrMich
Nampiditra : michael3
Daty : 20/10/2016 04:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135