FITIA IMORONA (Tsanta MIKANTO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA IMORONA
Fitia mampanahy,..
Didon-drangolahy
Ny fitiavany anao
Ka…
Aza esoina,
Hitsakitsahina,
Fosafosaina,
Ny fitiavana natolony
Fa…
Farafaharatsiny,
Ilay taratasiny,
Mba asio sasiny,
Hamalifaly volony
Fa…
Ndrao re ny molony
Hiredy ny tontolony
Anatin’ny alahelo
Ka…
Ny kintana eny ambony
Sisa ,
Hampinona ny fony
Anatin’ny avelo !
Dia..
Ianao indray no hanenina
Hipenimpenina,
Hitady ilay fitiavany
Izay lafatra tokoa,
Saingy..
Efa any an-dapasoa !
Tsanta MIKANTO 16/07/15
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - ahy - embona - Fitiavana
1349 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151