HAFA IHANY I DADA SY I NENY (Tsanta MIKANTO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA IHANY I DADA SY I NENY
Maro ny namana manampy eny ho eny,
Miara-milalao ary miara-manjeny,
Maro ny fitia izay omen’ireny,
Saingy hafa ihany i « Dada sy i Neny » !

Nandady,nihafy,ary koa tsy natory,
Ireo hatsembohany,tsy fantatro akory,
Fa hay izy ireo ka nihafy aok’izany
Mba hahaolom-banona ahy eto an-tany !

Ireny kapoka kely nahatezitra ahy taminy,
Hay ka fitiavan-dehibe tsisy tambiny
Ireny teny nataony,izay nodiako tsy hita,
Hay ka fitiavany ahy ho tafita !

Dada sy i Neny ô,misaotra indrindra
‘Za no toy izao dia ianareo no namindra
Nareninareo aho raha sendra nivena
Ka ny hany azoko atao dia ny « VALIM-BABENA »

Tsanta MIkANTO 30 Mars 2015
--------
Rohy:
1892 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01