KALOM-BORONKELY (Tsanta MIKANTO)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KALOM-BORONKELY

Kalokalom-boronkely
Teo ambonin’ny landemy,
No nampitsahatra ny aliko..

Mantsy ireny vita ireny,
Dia fijaliana ombieny ombieny..
Jafajafa sy tomaniko !
..
Ririnina mandrivo-maina
Izay norarafan’ny fanala..
miampy tsindron’ireo taho
No lamba nandrakotra ahy
..
Koa tonga ary ny maraina,
Dia aza hatao mahagaga,
Raha andeha hisintaka aho.

Na mbola ala sesilany,
Na koa ony be mangeniheny
No mbola hodiaviko rahampitso,
Dia aleo ho any izany
Fa avelao aho andeha irery
Mba tsofy rano re ny diako !

Fa hisy kalom-boronkely,
Hitsinjo ahy eny ho eny…
Mamiko no sady tiako !

Tsanta MIKANTO
--------
Rohy:
1416 3
Hevitra mandeha
hery ( 07/07/2015 10:43)
Inona kay ilay landemy ?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098