SAIKY NENINA (Tsanta MIKANTO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAIKY NENINA
Ny tsikinao tamiko dia siokan’ny marary,
Fa tsy fitiavana tsy akory,
Ka aleo ianao ho any,ho im-pito manta vary
Aleo mihitsy ho oriory !
Hay ny niantsonao ahy ,ka hamafa ny lotony
‘zay hitsaky ny sasany ?
Aleo ianao ho any,ho bory hatramin’ny fotony
Ho may hatramin’ny fakany !
Soa ny fo madioko ,fa mbola tsy nihira
Ny « tsaranao » ivelany,
Raha tsy izany angamba,dia ando feno sira
No nandonaka ny felany !
Sanatria aho tsy amboa,ho tsetsemanao taolana
Dia ho moana sady gina,
Soa aho tsy tafiditra,fa saiky hatao fitaovana
Filàna rehefa mila !
Kay tena tsy izaho marina, ilay notadiavinao
Ho silan’ny fanahy ?
Ka izay teny vitako rehetra,mba vonoy sy fafao
Tsindrio rangolahy !
Sao indray avy eo ka… mbola hihevitra, hoe handrotsirotsy ,
Ny foko efa tony,
Tsy hisy intsony izany,fa…mitomania aloha,
bongoy ny bodofotsy,
Fa izaho tsy mila intsony e !

Tsanta MIKANTO 10/08/15,HO AN’ILAY OLONA IZAY (Marihina anefa fa ny ainga dia niainga tamin’ny tononkalon’i KANTO SOMBINIAINA, « Aleo ihany amin’izao ».
--------
Rohy:
1333 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0187