FAHATSIAROVANA (TSIAMBARATELO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro iray sarobidy
'lay fotoana nihaonantsika
ka tiko tsara ho tadidy
mba tsy ho mora hangatsiaka

Tia anao ny foko
efa diso fantatrao
nefa indrisy fa toloko
no manjaka ao izao

Ny momba anao manontolo
'ireo toerana falehantsika
dia voakajiko daholo
toy ny sary indray mipika

Angamba ianao no nanadino
f'izaho no mbola mahatsiahy
ireo toky maro tsy nampino
ka nam-pamolivoly ahy

Zava-maro no nosedraina
tafio-drivotra mahery
zay tsy maintsy notohaina
mba hanjaka tao ny hery

Indro anefa Ankehitriny
fa fahatsiarovana no sisa
ka hoan'iza moa ny tsiny
'zay tsy tambo ho voaisa
(Juillet 1994 Antsirabe)
--------
Rohy:
Sokajy : embona
3681 3
Hevitra mandeha
2tim ( 18/11/2007 12:08)
Fa dia nahoana e!Sa izany ve no atao hoe tena tia?
A bientot
achrafhanna ( 18/11/2007 15:29)
mahatsiaro tsiaro ny any LIBAN a,maporisika akia a,ndry zany anie tena be sentiment be,zany tokoa rehefa mahatsiaro.
endrika01 ( 20/11/2007 11:25)
ampio ihany e,zaho ihany koa tena tia reny vetsvetsom-pitia ireny.Alefaso ndray ny manaraka!
sazykely ( 11/01/2008 08:48)
maloka loatra io tonokalo io, de mieritreritra zà oe o an'iza ary io?
tsiambaratelo ( 13/01/2008 12:33)
tsy azoko takon'ila ve?hoan'iza hoe?
tsiambarateloko ny amin'izay fa raha tianao ho fantatra dia...@manaraka fantatro eny ihany e.
Vitsikakely ( 08/06/2008 08:36)
hoan'i Visikakely
minsy izy zany koa.
tsiambaratelo ( 06/07/2008 13:19)
a a an,tsy hoanao kah,efa t@ lasa ,zany
hoe angamba tantara efa lasa tany aloha.
madox94 ( 03/02/2016 14:05)
afaka mba ho ataoko tononkira ve le izy fa otran tsara a!?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIAMBARATELO
Nampiditra : tsiambaratelo
Daty : 18/11/2007 11:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141