HALAN-JOKY (TSIFERANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zoky a! eto ampiandohana dia misaotra anao indrindra,
Fa betsaka ny soa nomenao tamin'ny fiainako.
Ny talakinao nisesy no nahaizako namindra,
Noezahinao nahitsy raha tsy nety ny fisainako.
*
Ankehtriny Kosa.....
Fa nahoana re razoky ireo tambinao omaly?
No nanjary hadinonao ka nosetrainao fialonana.
Lasa hetahetanao izaho rendriky ny jaly,
Ka zary lasa tsy hitanao sy tsy dinganinao tokonana.
*
Lasa faly ianao manimba ny lalana ombàko,
Asa na oviana, sa efa hatramin'ny ela?
Noravànao an-kerimpo ireo tetezana hiampitako,
Na dia singan'handry iray aza tsy foinao mba ho tavela.
*
Lavitra ahy i neny izay mba azoko ihantana,
Sy hamafa ranomaso ka moa ve hitomany?
Rehefa iny aho ditsoky ny setro-pahantrana,
Dia ny hehinao maneso no re manako ambadika any.
*
Koa ...efa resy aho ka aza onena!!
Misambara ry tsy foiko,
Fa efa fenonao TANGENA
Ilay kapoaka ho sotroiko.


#TSIFERANA (13 janoary 2017)
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
555 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIFERANA
Nampiditra : velotsiferana
Daty : 12/04/2019 15:16
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146