MBA SATRIKO (TSIFERANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba satriko indrindra raha hitsingerina androany
ny takariva fohy saika ampy nisambarako!
Mba satriko haharitra kokoa tsy toy ny omaly
ny adim-pamantaranora hiankinanao antratrako!
Mba satriko aza moa raha ny fitepom-poko tato
no hefanao tsapain-tanana!
Fa tena satriko indrindra raha iny omalintsika
notronim-bolam-penomanana!


#TSIFERANA (24/09/2018)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
706 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIFERANA
Nampiditra : velotsiferana
Daty : 12/04/2019 15:06
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138