NY NOELIN'I RAIVO (TSIFERANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny an-dalana eny, somebiseby i Raivo otronin'alahelo sy tsiaro an'ireo havany,
Ravahan' hatsembohana, danihan' hainandro manenika ny tavany.
Tohitena manga kely, efa ela tsy nisasa no mba hany hisalorany,
Mamelatra ny tanany mangataka ariary zato naneho ny fahatsorany.

Indrisy anefa fa ity olona noheveriny hahafoy ny kely ho azy toa tsy tsapany akory,
Nianjonanjona anoloany nandroaka azy mba hiala hono manorisory.
Onena aho tamin'izay kanefa akory moa ny ataoko izahay mitovy ihany,
Eto an-tany mantsy toy ny efa voasokajy ho anjaranay ny ambany.

Ho avy ity ny fety, mety hanao ahoana re ny fizotry ny noeliny e?
Moa ve ka mba ho vitany ny hanova hafa indray ilay tohitena mangakeliny?
Ny rehetra mikorana, manomana matsiro ho an'ny isambaravarany,
Fa i Raivo kosa, irony sisa sy tsy tiana anaty fako irony no hany mba anjarany.

Mety ho vahotra aza i Raivo tsy hakamoany anefa ny hiangona hivavaka!
Tsy omeko tsiny i Raivo fa efa ilay noely mihitsy no lasa tia manavakavaka.

#TSIFERANA (10/12/2017)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
674 1
Mpakafy: velotsiferana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSIFERANA
Nampiditra : velotsiferana
Daty : 08/04/2019 17:20
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136