tenim-beloman'izay tsy mahafoy (Tsi'kel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma veloma ry faratiana
Fa ny tany mihodina anie ka tsy azo didiana.
Veloma veloma ry sitraky ny aiko,
Aza malahelo fa mandratra ny saiko.

Na dia handalo aza ny fotoana ary handeha ihany,
Na ny fahatsiarovana ao am-po aza hitoetra hatrany
Fantaro anefa fa rahampitso anie ka andro vaovao,
Andro hafa sy mazava hanampy ahy sy ianao.

Na tapitra aza, na lasa tantara ny fiarahantsika izao,
Ka samy haka ny lanany, hanomboka fiainam-baovao.
Aza mba adino fa na aiza no misy ahy, ianao ilay tsy foiko,
Ka raha sendra mahatsiaro antsoy, valio raha mba antsoiko.

Veloma veloma ry tiako
Fa ny tany mihodina anie ka tsy azo didiko.
Veloma veloma ry sitraky ny aiko,
Aza malahelo fa mandratra ny saiko.
--------
Rohy:
2066 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.026