Iny lalana iny mantsy... (Tsikiko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny lalana iny mantsy, raha tadidinao angamba...
fandalovantsika izy iny, ny fontsika jamba
jamban'ny fitiavana, tsy nisaina izay ho avy
fo nitempo hasambarana, tsy narofy, tsy nanavy...

Iny lalana iny, raha tsaroanao iky...
tamin'iny lalan'iny, nihiranan'ilay tsiky
tsikim-pitiavana, tsiky feno fahatsorana
niposaka malalaka, toy irony ranon'orana...

Iny lalana iny ihany, raha tadidinao ry tiana...
nifamihinantsika, ny manodidina nangina
nangina...nanome voninahitra, toa nihira antsika
nifaly sy niravo tamin'ilay fitiavantsika...

Iny lalana iny koa, raha mba fantatrao ry aiko...
nandalovako irery... lany foana izato saiko
lasa ianao... lasa... tsy hita heverina hoe aiza
tsy mba takatry ny saiko... ny alaheloko hatraiza ?

Iny lalana iny mantsy, raha mba fantatrao ry "foko"...
zary lalam-pahoriako, indrisy ry tsy foiko !
na ny lalana nombako, toa tsy nahitako dikany
irony felam-boninkazo, lefy teo izany bikany...

Nefa...

Amin'iny lalana iny, no mbola izorako isan'andro
N'inona n'inona niseho, toa eo foana ilay masoandro
Ny fitempon'ny foko, toa mbola reko ihany
Izany havesarany, ny ratra mitomany
Toa mbola io ilay lalantsika hatramin'izay
Na ny tsikiny miserana, toa mbola reko fa injay
Ilay fitoerantsika... ilay fizorantsika...
Ilay fitiavantsika... ireo nofinofintsika...
Indrisy !!! Mbola tsapako daholo...
Na ny masoko aza toa mbola mahita ny tontolo
Ny sofiko mbola mandre...ny fo mitempo injao
Hay moa... Mbola velona aho... Fa tsy ianao...

Any ianao izay... lavitr'iny fara-vodilanitra
Eny e, izay no sitrak'Andriamanitra !
--------
Rohy:
4728 2
Mpakafy: haraldtohaina - tsikiko
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikiko
Daty : 04/02/2004 11:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142