lahin-jiro manentona ! (Tsikiko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrey ! toa hatraiza ny taratrao mazava !
Mitsilo hatrany am-po, ny aizim-pito te hisava !
Ny ahy kosa…toa tsy izany…fa zary miefonefona
Tsy mazava fa indrisy ! lahin-jiro manentona !

Endrey ! toa hatraiza ny hanitrao mamiratra !
Ny felanao balika, mampitsiky, mampihiratra !
Ny ahy kosa…tsy mba izany…eh ! mampihorohoro
Tsy bikàna fa indrisy ! volotara torotoro !

Lahin-jiro…Moa tsy manazava sy mitsilo ?
Maso ahitana, emboka hanondraka ilo ?

Kanjo…Indro ny entony niely, niparitaka…
Nameno sy nanenika, ny endriny toa fitaka !
Fa tsy hanitra izato izy ! ka hoe handravaka ny fiainana
Hay setroka !!! setroka !!! indrisy tsy hay iainana !

Ary ny volotara ? moa tsy mba natao ho ravaka ?
Feon-kiran’ny tontolo amin’ny sodiny mivavaka ?

Kanjo… ny raviny toa valaka, ny tahony miondrika,
Malazo koa ny rantsany, ny tenany milofika !
Ny feony mivalana, mizarazara alahelo…
Sady miantsy Ilay Mpamorona no manokatra ny helo !

Indrisy ! indrisy ! indrisy ry « izaho »
Lahin-jiro manentona kay ny taratrao !
Ny hiranao mazàna, mampijaly, mampikoro
Ny felanao balika dia volotara torotoro !

Soa ihany...Soa ihany fa misy Anankiray....

Fa Izy no varavana nisokatra malalaka
Nandosiran'ito setroko nanepotra, namalaka
Ka tonga rivo-baovao lasa hanitra namiratra
Ka namelona indray ilay fahazavako hihiratra

Izy ihany koa no zezika mahery
Nampitraka indray ilay tahoko niery
Nampamelana soa ilay felan-torotoroko
Tonga endrika sarika, nampitsiky ny tontoloko

Jesosy izy izay…Jesosy no anarany !
Izy Ilay « Iray », tena tia hatramy farany
Fitiavana hafa kely ! tsy mba tahaka ny olona
Irony tia zava-kanto, mibaliaka, mampionona…
Fa mandefa ny fijeriny ho an’ireo malazo, karakaina
Ka mampody ny toreony ho hira miran'ny maraina. :-)

"Tsy hanapaka ny volotara torotoro Izy
Ary tsy hamono ny lahin-jiro manentona..." (Isaïa 42:3)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1811 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikiko
Daty : 14/11/2005 13:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014