You are here: home > Vetso

Antso sy safidy - Tsiky dia ampy

Antso sy safidy no nambabo ny fiainako,
Ka ny lala-nofinidy lali-pakan’ny fisainako,
No efa nahasarika ahy.
   Antso sy safidy tsy azoko ialàna intsony,
   Fa manery sy mandidy hanaraka ny sitra-pony,
   Dia ny fiainan’ny fanahy.

Antso sy safidy izay tsy azoko idifiana.
F’izakàko indray adidy vaovao am-pifaliana.
Hijoroako ho lehilahy.
   Eny, antso sy safidy hamonoana ny taloha.
   Tsy hotsaroana tsy hotadidy dia ny vetsovetsom-po,
   Ka ho takon’ilay raozin’ny fiainam-baovao,
   Ireo rendrarendran’izao tontolo izao.
6/01/92
22h. 27mn. 39s.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Oully (01/10/2003 12:22:45)

Tonga saina aho teo am-pamakiana ity antso sy safidiny.

rfanjav (14/10/2003 17:59:25)

Sambatra ianao afaka nisafidy!

rfanjav (20/10/2003 16:17:11)

Mahereza fa aza mora kivy fotsiny e!
(ho an'iza indray izany ity tononkalo ity : an'i Hery, sa Tsiky dia ampy, sa an'olona hafa)

Ryana (22/09/2007 20:40:00)

Tena lalina be ny fototry ny safidy nataonao. Mankasitraka!
Ryana

tiaraj (02/02/2008 08:45:32)

Hevero ny hiafarana alohan'ny hiaingana ry hery a!

Hametraka hevitra

Midira aloha