You are here: home > Vetso

Avelao - Tsiky dia ampy

Avelao izy ho tiako
Fa izay no faniriako
Niaretako ny jaly
sy ny henjiky ny hafa.
     Avelao mba holalaiko
     Fa tsy mety ny ato antsaiko
     Te handray ny endri-piainany
     hiombom-po hiombon-tafa.

Avelao izy ho ahy
Fa ny foko izao manahy
Toa tsy afaka intsony
Mbola hanalavitra azy
     Avelao mba hokoloiko
     Fa tsy mety ny ato am-poko
     Te hidola hiara-dalana,
     sy hikambana amin'ny azy.

Avelao izy ho mamiko
FA ny zavatra sahaniko
Ts'isy intsony antenaiko
Raha toa tsy eo anilany
     Avelao mba ho fananako
     Fa tsy mety izao ny tanako
     Raha tsy mandray ny tanany
     Hisarika azy ho eo anilako.

Avelao
Mba mitalaho
Aoka re mba mbola hitohy
Ny tantara an-kiranay.
Avelao
RAha azo atao
Fa mafy loatra ho ahy ny tolona
Niaretako hatr'izay.
Avelao izy ho tiako
... dia avelao aho ho tiany.

Sokajy : Fitiavana, Vavaka

Hevitra mandeha

rfanjav (30/10/2003 16:47:41)

Oay,
aingam-panahy vaovao indray a!
Sao dia mba tena marina e!

rfanjav (30/10/2003 16:49:43)

Aleo aloha ampiana "Tsiky dia ampy" kely fa sao dia ...

Oully (16/12/2003 18:49:05)

"Avelao" kosa izy eh !!!

Hametraka hevitra

Midira aloha