You are here: home > Vetso

Efa tony - Tsiky dia ampy

Raha ny amiko sy ny ahy
No mahalasa saina anao
Raha ny alahelom-poko
Vesatry ny vokovoko
Raha ny tsindrona mamely
Ka nandratra lalim-pery
Raha ny masoko tomany
Sy ny hafa toa izany...
Vokatr'iny alina iny
...
Dia tsarovy f'efa tony
Ka tsy nitomany intsony
Nony dify tany ianao.
Efa tony sy nangina
F'efa zatra fahoriana.
Tsy handray avy aminao
Tambitamby sentosento
Bitsibitsi-po fanao.

Efa tony ka tsy taitra
Fo voaratra tsara zaitra
Ka tsy hamerina intsony
Efa sina... efa tony


Hevitra mandeha

NyKanto (28/05/2004 13:03:35)

Fahatoniana miampy fanapahan-kevitra amin'ny farany fa tsy hamerina intsony ... vokatry ny fikarohana ve sa tena tantara nisy? ... tsara !
mendrika hoderaina na dia mampalahelo aza. Ny Kanto mpakafy ny teny malagasy.

bichette (28/05/2004 18:58:28)

milay e ! snif snif

Oully (28/05/2004 19:02:49)

ndryyy !!! ry olon.....ko

Clarys (09/06/2004 10:39:58)

TE hitomany aho humm ! hi hi hi hi ! Misaotra é !

Hametraka hevitra

Midira aloha