Hery vao (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra anao,

R'ilay fitiavana nandrasako
Nahay namalona ny lasako.
Ka namafa tsy hifoha
Ny fiainako taloha.

Mankasitraka,

Fa ianao no hery ho ahy
Mampitony ny fanahy...
Miatrika ny fanaintainako
Sy ny fiovam-piainako

Eny fantatro,

Marobe ny menarana
Mitady fomba handakàna
Ka manipy antsamontady
Hamandrihana ny antsika

Nefa ianao,

Tsy mihontsona fa mainka
Mankahery tsy miraika
"Mitrakà, hoy ianao,
Mbola ho avy ny maraina"

Ny hataoko?

Hanome toky anao
F'efa hery vaovao
No mameno ny fiainako
Sy mibaiko ny fisainako.

Hery vao,

Hiainantsika mandra-maty
Tsy ho resin'iza n'iza
Hery vao ho anao
Ary hery vao ho ahy.
--------
Rohy:
3089 1
Mpakafy: hery
Hevitra mandeha
Oully ( 04/09/2004 15:03)
Voavaky!
yonikafopl ( 04/09/2004 19:32)
hummmmmm, Hery mahafinaritra raha tena vokatry ny fo fa tsy hijanona ho soratra fotsiny.
Ho an'i jantina sa i H.... e! hihihih
lanto ( 04/09/2004 21:30)
aza avoaka kosa ny nomerao mahazo ry yonika a ! hihihi
hery ( 04/09/2004 23:40)
yonika> Olona iray ihany io kah.
bichette ( 06/09/2004 07:10)
tsara ilay tonokalo ...... no comment's hi hi hi
nikopol ( 06/09/2004 09:21)
Tsara zany fitiavana izany. hihihi
Ryana ( 16/10/2004 11:38)
Mankasitraka hatrany!
Ryana
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147