You are here: home > Vetso

Iza loatra - Tsiky dia ampy

Iza loatra moa ianao
R'ilay mpandalo takariva
No toa tsy hitahita akory
Dia nigadona avy tany
     Iza loatra moa ianao
     No nangalatra ny antsiva
     Ka nanaitra izany tory
     Nofenoiko nofy mamy?

Iza loatra moa ianao
Ry voninkazo hafa loko
Fa vao eny ambavahady
Dia nampiontana ny aiko?
     Iza loatra moa ianao
     No sahy mibahana ny foko
     Miseho ho tompony sahady
     Mivatravatra sy mibaiko?

Iza loatra moa ianao
No sahy mandrombaka ny saiko
Ary mampikambana azy
Amin'ny fisainanao?
     Iza loatra moa ianao
     No miambo ho lalaiko
     Ka misarika ny tanako
     Mba hanafosafo anao?
-----

Iza loatra moa ianao
No hoe manarina ny toetrako
Mitady izay mba tsara ho ahy?
     Iza loatra moa ianao
     No mahavatra miova fomba
     Hifanahaka amin'ny ahy?

Iza loatra moa ianao
No miseho malala-tanana
Manolotra ahy izay iriako?
     Iza loatra moa ianao
     No mifohifohy volo
     Mitady ho ahy izay mba tiako?

     Iza loatra moa ianao
     No dia faly manome
     Mihoatra izay mba notadiaviko?
Iza loatra moa ianao
No indro fa mirehareha
Ho ilay olona tiaviko

Iza loatra moa ianao
Fa mbola tsy itsikiako akory
Nefa dia mitsiky amiko?
     Iza loatra moa ianao
     No mandany ranomaso
     Raha mahita ny tomaniko?

Iza loatra moa ianao
Ny tsy manahy ho lany andro
Mieritreritra ny ho aviko?
     Iza loatra moa ianao
     No tratry ny hasarotam-piaro
     Raha misy olona tiaviko?

Iza loatra moa ianao,
Iza loatra mba lazao,
Olon-tia sa fahavalo?
     Iza loatra moa ianao
     Iza loatra mba lazao
     Famonjena sa Dahalo?

TdA

Sokajy : Ahiahy

Hevitra mandeha

rfanjav (20/10/2003 10:50:04)

Fa mba iza loatra no anontanianao?
Mety ho tena fitiavana izany ny azy e!

DadaRabe (29/07/2007 14:20:22)

Resy lahatra aho ry Hery ! HAy ve i Hery mpiangaly an'ity rahraha ity é! sady manidina ambony mihitsy an !
Ento miakatra é !
DdRb

ikalamako (30/07/2007 10:29:28)

dia gaga koa aho ry DdRb, hay ve tato nisy an'izao e!(izaho koa aloha tara foana eto amin'ity sehatra ity e.)
Aza dia ela figadona loatra miandry valim-panontaniana anefa eo amin'ny fiainana fa indraindray ny anjara sy ny vintana migadona amin'ny ora tsy ampoizina, mila "otazana" amin'iny fotoana iny, ka alao hery e !!!

Hametraka hevitra

Midira aloha