You are here: home > Vetso

Izy - Tsiky dia ampy

Ny zavatra rehetra izay mba nantenaiko,
Dia azoko avy taminy.
Ka ireo izay nataoko, hahazoako izay nilaiko,
Dia nanjary maminy.
Ny fiainana izay mendrika ka nandrandraiko fatratra,
Dia hitako fa niainany.
Ary ny fisainako, nanjary tonga lafatra,
Dia avy amin’ny fisainany.
Ny fiainako taloha izay fenoko toloko,
Sy hitako tsy nety.
Ny sentoko rehetra nandrotika ny foko,
Nisinda vetivety.
Ny alaheloko nivoitra tanatin’ny tomany
Dia efa nampangininy
Ka nosoloiny tsiky... Ny tanako am’izany
Foiko nofihininy.
Fa Izy ilay Olona iriko ka tadiaviko
Milafika ato an-tsaiko.
Antenaiko hanampy ahy, hanatsara ny hoaviko
Mistery, mbola tsy haiko.

30/09/90. 20h. 33mn. 50s.

Sokajy : Fitiavana, Namana

Hevitra mandeha

rfanjav (14/10/2003 17:57:09)

Tsy efa azo atao hoe sambatra ianao raha izany!
Mazotoa dia mahereza e!

Malita (07/06/2010 08:57:44)

tena kanto sady lafatra ity tonokalonao iray ity ry Hery...

tiarah (15/06/2010 15:04:07)

Tsara kely le izy o!!!

tinalalaina117 (13/10/2011 10:17:51)

Lazao azy, fa ny vita efa mamy, fa ny ho avy mamirapiratra no sisa Andradraina.

mpisotrtoaka (23/01/2014 12:16:21)

Sao d mba IZY ilay mpanoratra ny RY ANJELY ato izany tenenin'ise izany lekary e !?

pindr (28/09/2014 11:27:55)

tsara be,tena kanto

Hametraka hevitra

Midira aloha