Izy no tianao (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy no tianao,
Notoloranao fitsiky
Noseraninao fijery
Izy irery.
Ka sahinao
Vitanao
Ny tsy nanisy maso akory
Izato foko oriory
Satria izy no tianao.

Eny izy no tianao.
Na dia manana ny azy
Ampy ho azy hifaliany
Sady tiany
Saingy ianao
Tsy nandao
Fa vao mainka nody jamba
Jamban'ny fitia angamba.
Satria izy no tianao

Eny izy no tianao
Ka nariana tsy ho hita
Nototofana toloko
Zato foko
Mahonena
Manantena.
Miandry toerana iray
Mety ho azy rahatrizay
Satria izy mbola tianao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3609 2
Hevitra mandeha
rfanjav ( 20/10/2003 13:41)
Oay e, sambatra be ianao, tononkalo vaovao indray ve izany?

Fa izao e, sao dia lazainao fa hanao analyse anao eto indray aho,

lazao an'izay namoronanao an'io tononkalo io indray ary hoe : raha iray no lasa, mitotoa koba hatavy e! sa?!
hery ( 26/05/2005 11:30)
Nandeha tao amin'ny RVG izany ity omaly :-)
lanto ( 28/07/2012 20:53)
:-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108