You are here: home > Vetso

Lasana aiza? - Tsiky dia ampy

Lasana aiza ny malalako
No fandriana babangoana
Trano haolo sady foana
No navela hovantanako?

Lasana aiza izato tiako
No mangiana sady moana
Lay radio mpinaonaona
Tamin'ny androm-pifaliako?


Lasan'aiza ianao ry silako
F'efa dila ny fotoana
Nef'izaho toa sasa-poana
Miandry anao ho eto anilako?


Lasana aiza i sombinaiko
Toa tsy hita, fa nahoana?
Sa adino tsy tsaroana
Ilay tsy afaka ato antsaiko?


Atolotra ho an'ireo izay mitady ny Very.
Hery
28/05/06 14:32
Roma

Sokajy : Ahiahy, Fitiavana

Hevitra mandeha

pissoa (29/05/2006 10:51:43)

Hihihi, io ony izy de tsy hitany.

Miverina manoratra indray "Tsiky dia ampy" ...

bichette (01/06/2006 12:10:42)

sao dia lasa nanao vakansy ilay sombinaina

ANARIM (07/06/2006 10:46:14)

hohoho, ty ono aho da shitany ô! oay e! fa nankaiza ktotrany ary ny tanteliko teto ô? ngo d lanin'ny vitsika ô?

fiaritiana (08/06/2006 09:46:37)

...Tsy hita izy androany
Fa any andro iray mbola
Hiverina indray...

mampikanto21 (28/12/2007 08:59:41)

Hery a. na dia lasa kosa aza ne izy d ny vatany fotsiny no tsy teo fa ny fony sy ny saina teo anilana foana e! :-)

verozoky (03/11/2010 19:45:00)

ny akoho aza mahalala mody fa aza kivy eh

Hametraka hevitra

Midira aloha