Mama (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny neny tena tiako indrindra
...
Raha nandinika ny lasa
Zay mba efa niainako aho
Dia nahatsapa sy nahita
Fa ny zavatra izay vita
Izahay no tafita
Dia ianao no nahafoy
Zay rehetra tratry ny aina

Ianao no nanome
Ny fitaovana nilaina

Ary raha mba nitaraina
Izato menaky ny aina
Dia ny hany anjaranao
No nafoinao hozaraina

Raha sendra narary aho
Ny masonao no nitraho
Tsy nahita izay horaisina

Raha izaho no oriory
Ianao no tonga nankahery
Nahavita niari-tory
Sy niady mafy irery

Raha lavo ireny aho
Ianao no nampitraka
Sy niaraka nizaka
Ny vokatry ny hadalàko

Tsy nampaninona anao
Ny niezaka nitolona
Niaritra ny henatr'olona
Ho an'ilay sombinaina

Tsaroako etoana ihany koa
Ny adidy maro tsy hay takonana
Nentinao nanasoa
Sy nanampy ny ankohonana.

Tsy voavaliko ry neny
Raha ireny vita ireny
Fa ny azoko atao
Dia ny mivavaka ho anao
Sy miezaka ho hendry
Amy lalana voatendry
Sy voatokana ho ahy

Reniko ianao ka tiako
Rehareha sy fifaliako.
--------
Rohy:
4087 1
Hevitra mandeha
dadasy ( 08/06/2006 20:25)
latsaka ny ranomasoko.....
pissoa ( 09/07/2006 16:50)
Any izay i Neny ...

(Hihihi, dadasy be konetaka ...)
ikalamako ( 02/06/2012 08:48)
Hafa ihany i neny....

pissoa kosa eeee...aza ataonjy an'zany izy fa izy aza mba malelo kouh ;)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144