You are here: home > Vetso

Masoandron'ny aiko - Tsiky dia ampy

Ianao
Nandrava ny alin’ny lanitra manga
Nitaratra miadana ny efitra banga
Niposaka mora tsy re fa nijaiko
Masoandron’ny aiko

Ianao
Nitondra baliaka nanala hatsiaka
Dia fahazavana izay nampitsiky
Ka nanome ny maraina nilaiko
Masoandron’ny aiko

Ianao
Ilay nanazava tanatin’ny foko
Ny sisan-tomany sy ambin-toloko
Nanala ny aloka anatin’ny saiko
Masoandron’ny aiko

Ianao
Ilay nanafana ny tratrako gina
Niankina teo sy nisento mangina
Nitsonika mora tsy zaka ningaiko
Masoandron’ny aiko

Ianao
Ilay saika nandoro ny fanantenako
Kinanjo nandevona ireo fahotako
Nanitsy ny toetra zay tokony hovaiko
Masoandron’ny aiko

Ianao
Ilay hafanàna tsy manana fetra
Tsy amiko irery fa ho an’ny rehetra
Fatratra loatra sy mendrika hohajaiko
Masoandron’ny aiko

Tsiky dia ampy
16/06/2016

Hevitra mandeha

prosper15 (24/11/2016 08:28:30)

tsara loatra hery a!

Hametraka hevitra

Midira aloha