You are here: home > Vetso

Mba saino angé é! - Tsiky dia ampy

Saino angé !
     Raha naborako hono izany
     Ilay fitia tato anatiko
     Ka nodiako tsy jerena
     Hoe an'olon-kafa ianao
     Dia ho inona no vokany?

Raha noraisiko hono izany
Ny tananao ho amin'ny ahiko
Ka nohadinoina vetivety
Hoe olo-manan-tompo ianao
Dia tsy fahotako ve?

     Raha nikambana hono izany
     Ka niaraka isika
     Dia natao tsy nisy fady
     Ny tany sy ny vavan'olona
     Dia ahoana ny hiafarany?

Mba sainonao tokoa angé é!
Hoe ianao no teo anilako
Sy miankina eo antratrako
Ka izy tsy nasiana resaka

Asa...

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Solei (04/10/2003 01:12:14)

Dia tokony valiana hoe soa fa misaina isika...

Mazoto e!

Bakoly

rfanjav (14/10/2003 17:52:17)

Ny "Raha ..." sy ny tsy nisy anie mitovy ihany e!

Hametraka hevitra

Midira aloha