You are here: home > Vetso

Meteza ianao - Tsiky dia ampy

Meteza ho tantanako
Ry fo mbola marefo
Ka hery avy ato anatiko
No ataovy fiantehitra

Eto amiko no atero
Ny tomany sy torovoka.
Izaho no iantehero
Fa tsy mba hazo boboka.

Raha sendra adintsaina
Tebiteby izay mafonja
Ny samboko ampiasaina
Hitetezana onja

Kotroka sy varatra
Rivotra, tadio?
Aza taitra akory
Izaho no itokio.

Ny tanako tazomy
Fa io no mba fananako.
Dia aza miala intsony.
Meteza ianao ho namako

Sokajy : Fampaherezana

Hevitra mandeha

mampikanto (30/10/2003 16:37:37)

Mankasitraka indrindra Hery a!

Tena mahafinaritra tokoa , marina moa e!

KAnto

rfanjav (30/10/2003 16:56:23)

Tena miaiky aho fa manan-talenta ianao e!
Noty : tohizo fa tsara!
tsisy azo anampiana azy intsony!

Mitsoa (29/09/2012 16:23:00)

tsis kianin.d azony maf sao jamba mfapitantan eo

Hametraka hevitra

Midira aloha