You are here: home > Vetso

Mitrakà ry fireneko - Tsiky dia ampy

Mitrakà ry fireneko
Fa ny olona natsangana
Hampiakatra anao
Toa nivadi-belirano.
    Raha izaho dia naleoko
    Tsy nametraka an'ireo
    Tamy toerana ambony,
    Indrisy, nahitana angano.

Hay ka lainga be no reko
Tamin'izy ireo nilaza
Fa tsy ho ela dia ho avy
Ny fandrosoana nandrandraina.
    Satria nony nojereko
    Dia nihananana izy
    Fa isika nihamaty.
    Raha izany, tsy ilaina.

Raha fahiny dia nekeko
Ny fadovàna fahefana
Sy ny famenoana paosy.
Fahiny izany, efa lasa.
    F'izao kosa tsy hotoneko
    Izato foko raha hikomy
    Sy hanohitra azy ireo.
    Aoka hiala izay tsy miasa.

Mitrakà ry fireneko.
Eny ho'aho, mitrakà.
Aza miandry azy ireo
Izay variana miady seza.
    Etsy ianao fa hovonjeko,
    Miaraka am'ireo mahantra,
    Vonona hitaky zo...
    Nogiazan'ireo Ngeza.

15/01/94 Tanà

Hevitra mandeha

hery (01/10/2003 11:55:46)

Nitranga tao amin'ny Gazety Tribune ity tononkalo ity tamin'ny 31 janvier 1994

chrislyd2 (26/06/2009 11:09:41)

Ento amin'ny tsiky, tsiky ihany ny fiainana an-tany
Na be ny tsy tanty, sy mila hahafaty, asio tsiky dia ampy !!!

endrika01 (18/07/2009 17:44:37)

Tsara be lay vetso,sady miavaka tsara > zah kounkou mba maniry hahay hanoratra tsara be hoatranao :D

tsiambaratelo (19/07/2009 11:27:40)

Raha izaho dia naleoko
tsy nametraka anireo
tamy toerana ambony,
indrisy,nahitana angano

Tsy atao hanenenana,fa hanitsina ny hoavy!

dadatsima (22/02/2012 23:49:34)

INDRISY TOKOA

Hametraka hevitra

Midira aloha