You are here: home > Vetso

Modia - Tsiky dia ampy

Sasa-miandry, rera-tsaina
Eto an-tokonana aho ry tiako.
Sasa-miandry, rera-tsaina.
Fa ianao ilay nantenaina
Mba ho andry fifaliako
Dia nidify any ho any.
    Ny masoandro sy ny volana
    Nifandimby nanakora...
    " Tia hono fa tsy tiana. "
Izato foko mitaraina
Amin'ny aliko mangina
Raha mba fantatrao ry tiana...
    Raha henonao ny antsoko,
    Sy ny hafatra nalefako
    Any ampita ambadika any
    Dia modia, mba miverena.
    Fa mitaraina mahonena
    Ilay mitia anao mangina.
    Miverena re ry tiana.
Efa zary trano haolo
Ny ato an-tokantranontsika.
Tsy eo ianao ka mangatsiaka.
    Ny fandriana bobongolo
    Fa aleoko tsy matory
        Raha lavitra hafanana.
    Ny ato an-trano oriory
    Mikorontana daholo.

    Modia
Fa raha tany tonga ianao.
Dia ho mpanjaka hotompoiko
Ho olo-mamy sy tsy foiko.
Hanolorako ny aiko.
Ka tsy hampaninona ahy
Ny ho handevoizinao.
    Modia fa ho tsapanao
    Ny fitia vaovao
    Nalaiko tamina domohina.
Modia ianao mba ho raozy
Ho fifalian'ny fo sy saiko.
Modia ianao r'ilay antsoina.
Modia malaky ry lalaiko.
Modia fa raha tsy tonga ianao
Dia hiala lavitra ny tany
Feno hetraketraka aho.    
    Modia ho'aho.
14/05/94

Hevitra mandeha

hendry (08/05/2004 14:17:39)

Nilaozany, avokoa, tsy nisy napetrany...

ikotofatsora (19/05/2004 22:30:30)

Mba gidra koa izany mahazo an-drazoky izany kle
Saika latsaka ny ranomasoko

Hametraka hevitra

Midira aloha