Niniako (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niniako nohadinoina ireny lasanay fahiny,
Ny tsikiny matetika mandravaka ny tavany.
Niniako tsy tsaroana akory iny hatsarany iny
Sy ny zavatra nomeny ho porofon’ny fitiavany.

Niniako tsy nohainoina ny fangatahany hitoetra,
Hoe hitia ahy indray sy hamela ny hadisoako.
Niniako tsy valiana intsony ny antsony rehetra,
Na tsapako niantefa lalina tanatin’ito foko.

Niniako notampenana tsy hahita izany masoko,
Izay toa manentana ahy hiverina aminy hatrany.
Niniako notazomina ao am-po ny ranomasoko.
Na mafy tamiko aza izany hoe tsy hitomany.

Niniako tsy ninoana ihany koa ireny nofiko,
Mitantara anaty haizina mangina ny tantarany.
Niniako notampenana mihitsy ireto sofiko,
Fa mafy loatra ny antsoantso izay manonona ny anarany.

Niniako novonoina izy, tsoriko tokoa tokoa,
Nodorako ho potipotika fa tsy sahaza.
Nariako tany an-davaka tsy hita noanoa.
Satria Ianao no mbola tiako, ary tiako lavitra aza.

Niniako tsy valiana sy niniako tsy jerena.
Niniako tsy nohainoina, niniako tsy nekena.
Niniako tsy fantarina, na marina, niniako !
Nototofako lavenona, niniako na dia tiako.

20/01/94
21h. 27mn.
--------
Rohy:
15932 13
Hevitra mandeha
hery ( 01/10/2003 10:14)
Savorovorom-piainana.
Oully ( 06/10/2003 16:47)
Nini-anao an!
rfanjav ( 14/10/2003 15:39)
Ka raha ninia ianao, dia mba ahoana izy @ izany?
hery ( 16/10/2003 19:58)
Niniako nohadinoina izy noho ianao... kanefa ianao indray ity...
Votsi-droa aho izany :)
Elle ( 19/10/2003 14:14)
Hay d'efa poeta an!! tsara alou ilay izy e!! ary aza de miniana zany e!!
rfanjav ( 20/10/2003 08:39)
F'angaha koa rehefa hoe afaka mifidy dia mahazo minia e!
aza mba voany ihany ho'aho ny tsy manam-pidy!
hery ( 26/10/2003 10:08)
He he, efa hoe savorovorom-piainana kou
rfanjav ( 27/10/2003 14:04)
Dia savorovoron-kevitra koa, fa ny fo eo ihany o!
Mael ( 31/10/2003 15:25)
Dia hilaza koa ianao hoe:
Niniako notapenana ny masoko tsy ahita ito bikany
Niniako notsetsemana ny sofiko tsy aheno izany hiakany.

Marina izany. satria babonao ny fony!.
hendry ( 08/05/2004 12:04)
Tsara ny mahay "minia" saingy tsy mora
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141