Nofy sisa..... (Tsiky dia ampy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Topi-maso iray nifanojo
No nahitako anao !
Dia fantatro aho fa tojo
Olon-tiambaovao!
Ianao no tena tiako
'Lay hany mba nahasambatra ahy
Ianao 'lay tena fifaliako
Nampitony ny fanahy!
Nefa toa nofy zany sisa
Toa tsy ho ay hoadinoina
Ka ny hany atao dia mamisavisa
indrindra ireo tena nanoina!
Ho adinoiko anefa ianao
Na dia mafy izany
Ka hotehiriziko am-poko ao
Sy hotsaroako hatrany!
--------
Rohy:
2123 0
Hevitra mandeha
Oully ( 08/06/2004 15:04)
hhmmm!!!
hery ( 08/06/2004 17:52)
Oups tononkalon-iza io_ hmmm >(
Manjary nahazo tononkalo tampoka i Tsiky dia ampy
Malalason ( 09/06/2004 11:02)
manja be ilay Tonon-kalo fa aza avela ho nofy fotsiny eny na dia hoe endrika niserana aza katsaho ihany aloha fa mety ho tanteraka ilay nofy

R.JO
Malita ( 09/10/2009 11:36)
ka mety nofy tsy azo tanterahina kooo, maro ny toy izany...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104