Ny fitiavanao (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavanao niriako
Mba hiainako ao anaty
Ho fitiavana mba tiako
Ho ahy irery mandra-maty.

Ny fitiavanao niriako
Mba hamelona fanahy.
Ho fitiavan'ny fisiako
Ka hikambana amin'ny ahy

Ny fitiavanao niriako
Sy hajaiko fa finidy.
Ho fitiavana kajiako
Toa diamondra sarobidy.

Ny fitiavanao niriako
Mba ho ahy tsisy kiana.
Ho fitiavana hany tiako
Na an-tanan'olon-tiana.

Ny fitiavanao niriako
Hanan-ko avy mbola tsy hay
Ho fitiavana ifaliako
Na tsy ho ahy mandrakizay.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2299 3
Mpakafy: hery - Oully - Tenio
Hevitra mandeha
Oully ( 27/04/2004 18:32)
Mientankentana mihitsy eo am-pamakiana "ny fitiavanao"....
Tsara!!!
aladin ( 28/04/2004 06:35)
webmaster b fitiavana an!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117