You are here: home > Vetso

Omeko anao ny "lanitra" - Tsiky dia ampy

Tonga indray ity
ilay tsingerin-taona
Ilay asaramanitra.
Androany kosa akia,
Tsy toy ny isan-taona
F'omeko anao ny lanitra.

Masoandro sy ny rahona,
Ny kintana sy volana
Mameno irony lanitra,
Atolotro ho anao.
Omeko tsisy olana
F'omeko anao ny lanitra

Ny senton'ny fitia
Voady mariazy
Natrehan'Andriamanitra,
Tsy hoe tsy ho doria
Fa tiako hanampy azy
Dia homeko anao ny lanitra

Irony voninkazo
Notazako fahiny
Toa tsara sady manitra,
Dia voninkazo ihany
Halazo sy ho sina
K'omeko anao ny lanitra

Hevitra mandeha

Malita (07/06/2010 09:03:11)

tsaraaa...

Irony voninkazo
Notazako fahiny
Toa tsara sady manitra,
Dia voninkazo ihany
Halazo sy ho sina
K'omeko anao ny lanitra...

Hametraka hevitra

Midira aloha