Rava (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Raha ahiahy lavitiana
No na koa hasarotam-piaro
No nahasarika ahy handrindra
Ity vetsovetsom-poko ity
Dia azonao helohina aho.
...

Fa nanoratra aho satria
Ny masoko no safo-drano
Ny foko no miboba rà
Ny fitiava-nantenaiko hilomano
tao anaty...
Tsiodrivo-pifalian-doharano
nihamaty.

Mahavelona ahiahy.
Ahiahin-tsambokely atopatopa-dranomasina
Ahiahim-boronkely sendra alina fodiana
Ahiahin\'ombiasa matahotra ho very hasina
Ahiahin\'olon-tia fa nilaozan\'olontiana.

Tsy tana
Tsy voatazoko fa lasa
Tsy voaodiko fa niala
Tsy voatanako fa dila
Tsy voafehin\'ito vala.

Nanadino
Tsy mahatsiaro kely akory
Ilay nianarana nitia
Gidragidra nampahory
Sy ny sentosento fy
Ranomaso sy aritory
Ny aretin\'ny fitia,
Niarahana nanjò
Indrisy, mahavaky fo.

Fantatrao?
Angamba raha fantatrao
Fa mieloelo toa avelo
Ka manjemby izany masoko
Ny tsikitsikinao fahiny
Angamba raha tsapanao
Fa fahanginan\'alahelo
No mamaly ireto antsoko
Ambadik\'iny vohitra iny
... dia ho tsy nandeha ianao.

Fahatsiarovana.
Ny sarinao no sisa hery
Hany afa-mampitony
Ny rotidrotiky ny foko
Hany hery sy fijery
Iriko hivaingana hiaina
Hiova fo hiova loko.
Ho fitia vaovao
R\'ilay tiako sy nandao.

Ratsy fanahy amin\'izay.
Tsy menatra ny nanapotika
Ny ho avy nandrandraiko
Fa dia sahy nandrotidrotika
Ny fo fanahy sy saiko
Tiako ho avy hanamontsna
Ny hatsaran-tarehinao
Ny varatr\'afo solifiora.
Ka hiraraka hihintsana
Eo ambony lohanao
Ny hatezeran\'ny natiora.
Tiako hiakatra an-tanety
Tsy hahafahanao miaina
Ny bolongan-dranomasina.
Tiako ho avy fa tsy nety
Ilay Mahery tompon\'aina
Fa tsy sitrapony izany

Tony
Tsoriko aminao ry aiko
Fa tsy mbola nisy hafa
Nomeko izay nomeko anao.
Dia ny fo fanahy sy saiko
Ny fifaliako sy ny aiko
Ka ny zavatra nilaiko
Hanasoavako ny tenako
Raha nangatahinao
Dia nomeko tsisy fetra.

Sa ve hoe...
Lany notsihifinao daholo ve ny mamy
Dia indro ianao fa nipitika any ambadimbadika any?

Sanatria
Fa ny foko ao antratra, Izay maratra, mbola ho sitrana.
Fa ny saiko babangoana, noho ianao, mbola hivitrana.

Ny ho avy
Ka ho rahona mandalo
Ny fisintakao rahavako
Anjavidy tratry ny afo
Ihany angamba ny fitiavako
Toy ny ava-maro-loko
Ihany ianao tato am-poko
Fa namiratra jerena
Eny am-para-vodilanitra
Toa miendri-bolamena
Sy toa manitra
Kanefa
Tsy hita hotsapaina tànana
--------
Rohy:
7258 2
Hevitra mandeha
lanto ( 18/10/2003 01:15)
Mahafinaritra ! Sahala @ mamaky tantara aho...
Fa izao : ny fitambaran'ny tononkalo, (toy ilay "lasana") dia toa fisalasana. Mampiditra sy mamoaka, miantso sy mandroaka. Feno fisalasalana toy izany foana ve ianao ?
hery ( 18/10/2003 11:04)
Merci Lanto,
Izaho ve sa i Tsiky dia ampy sa ilay olona nanoratako azy? :)
lanto ( 18/10/2003 21:05)
Ianao ilay nanoratra io e ! :) I Tsiky dia ampy izany !
alz ( 21/11/2003 10:35)
Masaka be !
ny fitiavana dia tangena hilaina tsy azo atao mihoatra ny eran-ny sotro.

Oully ( 28/03/2004 16:24)
Lalina sy feno mistery ny tonokalonao. Fa nahoana no no-"rava"-na eh ? Mampanganohano.
hendry ( 08/05/2004 12:15)
Ny zany aza aza miantso tody. Ohatran´ny masika be ilay hoe:"ratsy fanahy @ zay".
pissoa ( 20/11/2005 18:52)
isaky ny avy mamaky ity tononkalo ity aho dia otran'ny we avy nijery movie zany foana ... tsara e!
rhina ( 03/09/2009 05:44)
tena miaina le tonokalo ry Hery a otrany oe tena za zany mits no miaina ilay izy.

tena tsara e !!! mankasitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108