You are here: home > Vetso

Ry lisy kely - Tsiky dia ampy

Ry lisy kely tsara bika
Maniry an-tany songosongo
Mbetika toa mibaliaka
Mbetika toa bongobongo

Moa ve mba fantatrao
Fa ianao no voninkazo
Tsara indrindra mba naniry
Lalim-paka sy fitia
Antenainy ho doria?

Ianao no nomeny
  Tsiron-tany mamy indrindra
    Notehiriziny hatrizay
Ianao no nekeny
  Tsy navelany hifindra
   Ka na andro mahamay
  Na ririnina mangoly
  Dia ianao no hany voly
  Izay navelany handrobona
  Ka hamelana finaritra
  Notazominy haharitra

Ianao, ianao, ianao irery
No navelany hiantehitra
Hirehareha fa manan-kery
Tsy natahorany mpijery.

Ka ny horakora-poan'
Ireo vorona manidina
Izay nifaoka hatrizay...
Na ny esoesontenin'
Ireo tany manodidina
Izay naniry mba handray
Dia navelany nangaina.
Fa ianao no nohatsarainy.

Ry lisy kely tsara bika
Aminao no misariaka
Ilay tsiky tsy ankiteny.
Tsiky hany mba hareny.

Ianareo no tena iray
Fa ianao hatsaràny
Izy fivelomanao.
Ianao aron-tany
Izy fifikiranao.


Ry lisy kely tsara bika
Raha sendra onjan-driaka
Na koa haizina mitraho
Dia meteza ny hitroatra
Hamafiso izany taho

Ry lisy kely tsara bika
Aza avela hangatsiaka
Fa alatsaho lalindalina
Ny fakanao mba hamikitra
Mahandrasa miareta
Fa na misy aza ny alina
Ka tsy ho ela dia ho avy
Ilay maraina andrandraina.
Dia ianao no voninkazo
Izay hamiratra indrindra.
Ary izy ho zaridaina
Ho anao, tsara rindra.

Hevitra mandeha

hery (26/10/2004 11:35:03)

Hmmm, lisy ravaky ny alina sy famiratry ny andro

bichette (26/10/2004 12:51:13)

aoka re ry Hery a ! tsara e !

NyKanto (26/10/2004 14:55:02)

Midera ny fitiavana amin\'ny fahatsarany rehetra ilay tononkalo.
Ny Kanto

hery (26/10/2004 15:14:23)

hmmm dia tsy omena isa hono :)

bichette (26/10/2004 15:22:12)

tena miakatra mihintsy anie ny aingam-panahinao izany ry hery e ! lalina be

bogosssy (26/10/2004 17:45:55)

trop lava,saika bien hany alohaeee!

lanto (30/10/2004 10:46:21)

lalina be ! hmmmm tsara tondraka izany aingam-panahy ao izany an ! Manja e !

hery (01/11/2004 15:45:21)

Tondraka angaha? lolll... fa misaotra anareo.
Fanazavana teny : Ny atao hoe tany songo dia ilay tany tsy tratran'ny angadin'omby rehefa miasa. dia misy faritra kely tavela izay atao tanana... indraindray anefa ireny tany songo ireny aniriana vonikazo... lisy kely tsara bika.
Ny lisy dia vonikazo malefadefaka ihany (hmmm) tsy dia miseho loatra kanefa anisan'ny tsara indrindra... miakanjo tsara indrindra noho i Salomona hozy ny baiboly izay.

bichette (03/11/2004 16:44:16)

amin'ny teny frantsay inona ilay lisy ? fleur de lys ve ? misaotra ny amin'ny fanazavana

IARIVO (05/11/2004 19:27:41)

tiako be mihintsy ilay tonokalo,ny hitiavako azy?..Ny anarako dia LISY.

didou (09/11/2004 21:41:57)

Tafita ny hafatra ary ankafiziko tokoa ny asa-soratrao. Ny.

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha