You are here: home > Vetso

Sao dia mba - Tsiky dia ampy

(Setrin'ilay hoe "Indray andro tany an'ala" an'i Bichette)

Sao dia tsy hazo tsara
No nangalako voa
Tao anaty ala?

Sao dia hazo boboka
Tsy hita hianteherana
Ho tapaka tsy ho ela.
Sao dia vaha nandady
Nanaraka ny taho
Tsy afa-nifamela?

Sao dia tsy matoy
F'izaho no efa zatra
Sy tia mivezivezy?
Sao dia mba voaroy
Nanindrona nandratra
Noheveriko ho frezy?

Sao dia mbola manta
Kanefa efa mena
Mamitaka mpandalo?
Sao dia misy tompony
Voafandrika hatry ny ela
Ka nasiana kalo?

Hevitra mandeha

bichette (12/07/2004 09:17:31)

oups !!!! non kosa e !

Hametraka hevitra

Midira aloha