Soava dia (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(ho an'ilay namana nametra-pialana)

Tsy aritro leisy ny aingam-panahy nilaozan-tsakaiza
Ka nandray penina hilaza eto fohy ny sento tsy tana.
Fa tonga amy sampanandalana isika ka afaka ho aiza?
Ialahy nantenaina ho namana ity nametra-pialana.

Naratra ny fo, nangotika ny aty, satria ho irery
Saingy tsy maintsy mitraka satria izany no ady.
Nitsangana indray, namindra mangina, nanangona hery.
Hamakivaky an'ilay lalantsika niaraha-nivoady.

Dia lasana ialahy, resiny lahatra fa tena tiany.
Tsofiko rano, dia mahaleova sy mahalasanana.
Safidy iny angamba, matotra tsara ka tsy omena tsiny.
Ny antso tokoa, tsy iray, tsy roa, fa maro sampanana.

Ny anaran'lah dia tsy tiako vonoina fa haharitra anaty
Dia ialahy koa, inoako mihitsy hanao toa izany.
Ireo tetikasa novolavolaina tsy avelako ho faty.
Hoporofoiko fa namako elah, ho namako hatrany.

Raha sendra mahita ny toetrako ialahy, dia aza manahy.
Ivelany ireny, f'izaho efa niova. Tsy malemy intsony.
Ho todiko hatramin'ny farany ny ahy, ho antsika sy ialahy.
Elah kosa tsofiko rano ho tafita ho andrin'ny fony.
--------
Rohy:
4779 0
Hevitra mandeha
Oully ( 14/05/2004 14:44)
Safidy sa antso? Fankahalana sa fitiavana? Adidy sa fialàna andraikitra? Inoako fa ho hita ny tena mahalehilahy .... Mirary soa!
Clarys ( 14/05/2004 18:36)
Misaotra letsy fa tena sakaiza a ! Tsy nampoiziko hoe hahavita toy izao ialahy ! Mahereza mahalasana letsy dé aza miova fa mihavaoza. Tsy mety raha miova ialah fa hihafahafa aho. Mihavaoza fa ho tsapako foana ny finamanantsika efa tena lalina noho ny fisarahana. Ho valiko tsy ho ela.
O ry oully a ! Manaraka akaiky ny fandehan-javatra an !
Oully ( 01/12/2004 21:36)
sao dia ho averina amin'ny mpanoratra ny firariana "soava dia" ...
asa moa fa tsy kabary hoy ny fitenenana???
ikalamako ( 02/08/2010 21:49)
hmmm - andrarezina anie zao manoratra ato zao e...sy izay niantefany....... ;-)
tiarah ( 03/08/2010 06:37)
Mandona, mahalasa saina saingy ny tena lehilahy tsy mora kivy fa miatrika ny zava mitranga hatrany, matoa iny tsy tanteraka dia efa tena efa tsy anjara,,,
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112