Taombaovao mahantra (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Injany fa manako any ambadimbadika any
Ny hira sy torebik'ireo manana hatao.
Kiakiaka, fiarahabana, toa iniana mba ho reko,
Saingy inoako fa tsy iandrasana ny valiny avy amiko
Izay izaho tsy mba afaka hamoaka sento akory
Lanaky ny hanoanana ka tsy afaka matory.
Kiririoka, horakoraka, hehim-pifaliana hono.
Saingy amiko toa eso, ady angamba no antsoiny.
Satria moa fomba ahoana no ahafahako milaza
Fa taon-tsambatra ity ? Raha tsy izaho angaha no adala.
Mbola hino fa ho paradisa ho ahy ny fahantrana,
Ka hionona am'izao tsy hitady izay hialàna.
Raha toa angamba aho nampianareo ry " Olom-paly "
Dia tsy ho tsapako akory hoe ahoana ny mijaly.
Na koa farafaharatsiny mba nahatsiaro fifaliana
Nahatsapa ny fiainana an-koràna tsy mangina.
Fa tsy hiafara toa izao, miboridana tsy satry
Tsy mba nanana akory rovi-gony ho fitafy.
Eny e !
Tsapako sahady eto fa tsy ahoanareo izany.
Hoy ianareo anankam-po : " Ny fahantràny ? Ny hadalàny "
Ka na d'ilay sombin-kanina mba nangatahiko aza.
Tsy nafoinareo akory fa naleo nomena alika.
Tsy mampaninona ahy izany zakako ny fahantrako
Aoka ihany aho ho noana, sady mbola be ny fako.

01/01/94 00h57mn
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fety - Fahantrana
10505 6
Hevitra mandeha
hery ( 01/10/2003 10:10)
Nivoaka tamin'ny Tribune tamin'ny 14 janvier 1994 koa ity tononkalo ity.
rfanjav ( 20/10/2003 14:10)
Marina fa betsaka ny mahantra sy mijaly, nefa misy koa anie @ ireny hakamoana fotsiny no tsy hahavelona azy e, ka ahoana no ahalalana hoe iza no tokony ho ampiana?
ledada ( 02/01/2007 12:43)
rfanjav io v fanjava refeno sa hafa mihitsy? (ilay mpanao an'le oe "TOI!!" refa mampianatra)
walte ( 24/01/2010 15:08)
Raha mitady @ fahamarinana nefa tsy mety mahita mintsy zay no atao hoe fahantrana, fa raha kamo fa miandry mana milatska fotsiny dia sitrapo manahiragna. Zay le hoe ny hatsembohanao no hinananao. Asa arahana vvka e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118