You are here: home > Vetso

Tiako ianao na dia (2) - Tsiky dia ampy

Tiako ianao na dia
Vao vetivety monja
No nihaonantsika roa
Tiako ianao satria
Fitiavana mafonja
No mafy tao am-po

    Tiako ianao na dia
    Maro mpankahala
    Sy mpisompatra ny dia
    Tiako ianao satria
    Ianao no mahalala
    Ny halalin'ny fitia

        Tiako ianao na dia
Be ny mpanaratsy
Mampiferin'aina
Tiako ianao satria
Rehefa atsy ho atsy
Ireo ho tonga saina.

Tiako ianao na dia
Gidragidra lava
No iarahana mizaka
Tiako ianao satria
Tsy maintsy mbola hisava
Tsy maintsy mbola hitraka

    Tiako ianao na dia
    Sembanina isanandro
    Sakanan-tsy hanantena
    Tiako ianao satria
    Nivonona hitandro
    Fitia nifanekena

        Tiako ianao na dia
Natsipy tamin'ny tany
Lazaina fa tsy tsara
Tiako ianao satria
Ianao irery ihany
No raisiko ho anjara

Tiako ianao na dia
Totorana hakiviana
Isanandro izao
Tiako ianao satria
Tena tia sy tiana
Fa tsy mba milalao

    Tiako ianao na dia
    Lazaina fa adala
    Satria miaraka amiko
    Tiako ianao satria
    Tsy misalasala
    Amy teny mamiko

        Tiako ianao na dia
Lazaina an-dranomaso
Fa diso tarigetra
Tiako ianao satria
Tsy misy andraso andraso
Ny "Eny"-nao rehetra

Tiako ianao na dia
Rahonana amin-teny
Mandratra fo indrisy
Tiako ianao satria
Ireny rehetra ireny
Ataonao toy ny tsisy
    
    Tiako ianao na dia
    Ny hany vavakao
    Latsaina sy hamavoina
    Tiako ianao satria
    Ny heloka nataony
    Tsy tananao intsony

        Tiako ianao na dia
Tsy maintsy mbola hitohy
Irony adintsaina
Tiako ianao satria
Fotoana kely fohy
Dia ho avy ny maraina.

Via Lanciani Roma
18/10/2004

Hevitra mandeha

Oully (21/10/2004 22:38:41)

Mahereza!

ANARIM (07/06/2006 11:21:19)

efa tonga kosa ngamba izay lay maraina fa toa efa maromaro ihany izay "niandrandra ny maraina" novakiako t@ ireo nosoratanao ry hery!

Hametraka hevitra

Midira aloha