You are here: home > Vetso

Tolona - Tsiky dia ampy

Tolona ao anaty
No hany sisa adiko
Nilaozan'ny safidy.
Tolo-mandra-maty
No lalana hodiaviko
Ao anatin'ny mangidy
     Tolom-pihafiana
     Hanaiky ny ho irery
     Ho tokana doria
     Tolon'ny tsy tiana
     Zara manan-kery
     Hahafahana mitia

Tolon'ny mahantra
Tsy mba manam-bola
Hambaboana sento
Tolon'ny tsy zatra
Menatra hidola
Na mba manam-betso
     Tolon'ny malemy
     Resy tsy miady
     Mataho-maso-mena
     Tolon-tsy aki-teny
     Fa sasatra sahady
     Tolona ekena.

Izany no mba toulko
tolona tsy zaka.

1/10/97

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hevitra mandeha

hery (01/10/2003 11:50:21)

Anisan'ny tononkalo nosoratana taorian'ny fiolahana. :)

lanto (05/10/2003 10:56:05)

Dia nisy koa ve sampanana ? (...) Tsiky dia ampy !

rfanjav (14/10/2003 17:41:09)

Fa nahoana kosa,
efa safidy angamba ny anao,
fa raha tsy izany hanaiky ho resy tsy miady ve?

hery (17/04/2012 19:01:28)

Mahafiniaritra ny mamaky ilay tononkalo rehefa taona maro be aty aoriana...
Mbola tsy "zaka" foana ilay "tolona" :-p

Hametraka hevitra

Midira aloha